Tsenatsika · NRB Tech

-10 % amin’ny kaomandinao miaraka amin’ny kaodyNRB10

Mivarotra ao Miantsena

Mahazoa vola sy mpividy, mora foana

Sokafy dieny izao ny fivarotanao ary mahazoa kaomandy betsaka isan’andro.

Aza ela fa voafetra ny toerana!

Maimaim-poana ny famoronana boutique en ligne ato aminay.

  • Mpividy manerana ny nosy
  • Voaloa amin’ny Mobile Money na vola an-tanana
  • Boost 3 000 Ar maimaim-poana

Mivarotra amin’ny Facebook sa amin’ny Miantsena?

Vondrona FacebookFivarotana Miantsena

Rendrika haingana ao ambanin’ny hafa ny lahatsoratrao

Mijanona an-tserasera andro aman’alina ny fivarotanao

Anontaniana hoe « ohatrinona? » foana ianao

Hita ny vidiny: manafatra irery ny mpividy

Ny namanao sy ny vondronao ihany no mahita anao

Mahita anao ny mpividy manerana ny nosy rehefa mitady

Ifampiraharahana isaky ny mpividy ny fandoavana

Mobile Money tehirizina mandra-pahatongan’ny entana, na vola an-tanana

Tsy misy maneho fa matotra ianao

Hevitry ny mpividy sy marika « voamarina »

Tazony ny Facebook: zarao ao amin’ny vondronao ny rohin’ny fivarotanao, dia ao Miantsena no manafatra ny mpividy.

Ohatrinona no azonao

Ampidiro ny isanao manokana.

Anao isan-kerinandro

190 000 Ar

eo ho eo amin’ny 760 000 Ar isam-bolana

Anao · 95 % · 190 000 Ar Miantsena · 5 % · 10 000 Ar

Ohatra nokajiana tamin’ny isanao, anao koa ny saran’ny fanaterana. Tsy fampanantenana varotra izany.

Dingana 3, minitra 5

  1. 1Mamorona kaontyNy anaranao sy ny laharanao ihany.
  2. 2Sokafy ny fivarotanaoNy tanànanao sy ny saran’ny fanaterana.
  3. 3Avoahy ny entanaoSary iray, vidiny iray: manafatra ny mpividy.

Ireo rehetra ireo, maimaim-poana

  • Ny fivarotanao sy ny rohiny azo zaraina
  • Entana tsy voafetra, misy sary sy horonan-tsary
  • Resaka amin’ny mpividy
  • Bon fihenam-bidy ho an’ny mpividy
  • Varotra flash adiny iray
  • Fivarotana mivantana amin’ny horonan-tsary
  • Mpanaraka ampandrenesina ny vaovao
  • Vidiny ambongadiny sy fividianana miaraka

Boost omena maimaim-poana mitentina 3 000 Ar rehefa voamarina ny mombamomba anao.

Ahoana sy rahoviana no andoavana anao

Mobile MoneyMandoa ny mpividyTehirizin’i MiantsenaNy kitaponaoNy Mobile Money-naoMVola · Orange · Airteltonga + 1 androalainaoVola an-tananaMandoa ny mpividyAo am-paosinaoAloanao ny 5 %rehefa tongaavy eo
Mobile Money: tehirizin’i Miantsena ny volan’ny mpividy mandra-pahatongan’ny entana, ary anao izy 1 andro aorian’izay. Azo antoka àry ny kaomandy voaloa. Vola an-tanana: voaloa avy hatrany ianao, ary aloanao avy eo ny komisiona 5 %.

Ny fanontanianao

Ohatrinona?

Maimaim-poana ny manokatra fivarotana sy mamoaka entana. 5 % ihany no alain’i Miantsena rehefa tonga ny entana amidy. Raha tsy misy varotra, tsy mandoa na inona na inona.

Ahoana no andoavana ahy?

Mandoa vola an-tanana rehefa tonga ny mpividy, na amin’ny Mobile Money. Amin’izay, alefan’i Miantsena amin’ny MVola, Orange Money na Airtel Money ny volanao rehefa tonga ny entana.

Iza no manatitra?

Ianao, na olona safidinao. Ianao no manapaka izay toerana anaterana (ao an-tanànanao ihany na lavitra kokoa) sy ny vidiny.

Ilaina ve ny NIF na STAT?

Tsia. Ny anarany sy ny laharany ihany no ilain’ny tantsaha, mpanao asa tanana na mpivarotra kely. Ho an’ny orinasa mila ny marika « voamarina » ihany ny NIF/STAT.

Miandry anao ny mpividy voalohany.

Maimaim-poana, tsy misy fifanekena: ajanonao amin’izay tianao.

Hanokatra ny fivarotako

Misy fanontaniana alohan’ny hanombohana? Mamaly anao ny olona ao amin’ny ekipa.